Efa nomena anarana “Kianjan’ny Demokasia” ny kianja maitso Ambohijatovo, izany hoe toerana hilazana hevitra mazava.
Noho izany, rehefa mazava ny anton-javatra hambara eo dia tsy hitako ny antony tsy hanomezan’ny “prefet de police”n-Antananarivo fahazoan-dalana ny mangataka ny hampiasa azy io sy hamohana azy ho an’ny rehetra, hoy Razafimanantsoa Hanitra solombavambahokan’i Madagasikara. Fa raha fa misy fihoaram-pefy kosa dia zavatra hafa indray izay. Inoako fa olon-kendry ny vahoaka Malagasy ankehitriny ary mahay maka lesona tamin’ny lasa ka tsy hisy horebirebena hitarika korontana eny amin’io toerana io intsony.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.