Somary nanaitra ihany ny zavatra hita teny amin’ny Parc des expositions Forello Tanjombato omaly nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny FIM andiany faha-11.
Niloko Manga, fotsy, mena tahaka ny sainam-pirenena Frantsay mantsy ny kofehy (ruban) notapahan’ireo manampahefana notarihan’ny praiminisitra ho mariky ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ity hetsika ara-toekarena ity. Foara iraisam-pirenen’i Madagasikara anefa no anarana isaloran’ilay hetsika koa nahagaga no tsy fotsy, mena, maitso tahaka ny sainam-pirenena Malagasy. Amin’ny maha mpanao gazety dia sambany no nahitana tahaka ity tranga ity teto Madagasikara. Ny kipitsopitson-javatra tahaka izao no mbola manaporofo fa tsy manaiky lembenana ny vahiny mpanjanaka ary miezaka ny mampiseho ny tanjany amin’ny sehatra rehetra araka izay azony atao. Ary dia manaiky koa moa ny Malagasy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.