Politique

Fanoherana ny tsy mety ataon’ny fanjakana Tafatsangana ny vondron’ny tia tanindrazana


  • Alarobia 16 Martsa 2016

Be loatra ny zavatra tsy mety hataon’ny fanjakana amin’izao ka tsy vonona ny hilefitra amin’izany intsony ny vahoaka, hoy i Joseph Yolande CST teo aloha.

 

 Manaporofo izany ny rivotra mitsoka isan-tokantrano manerana ny faritra rehetra izay mitaky ny fiovana. Mba ho fanampiana ny mpiray tanindrazana hamondrona ny heriny ary dia tafatsangana omaly ny vondron’ny tia tanindrazana na ny “Rassemblement des patriotes progressistes et amis de Madagascar pour la réfondation”. Tsy manavaka antoko politika na fikambanana ny vovonana fa rehefa vonona ny hitady izay hampandrosoana ny firenena sy hanohitra ny tsy rariny mianjady amin’ny vahoaka dia efa mety amin’izy ireo. Hamory avy hatrany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny izy ireo ny sabotsy ho avy izao hahafahana mandinika izay zavatra tokony hatao. Na izany aza, efa misy sahady ny fitakiana hataon’izy ireo amin’ny fanjakana toy ny famoahana tsy misy hatak’andro ilay vatana mangatsiakan’Itompokolahy Mandignisoa namoy ny ainy tany Anjozorobe, ny fanasaziana ireo tompon’andraikitra rehetra voakasika tamin’ilay raharaha andramena navoaka an-tsokosoko tany ivelany ka ny vola azo amin’izany dia entina hanampiana ireo mpiray tanindrazana lasibatry ny kere any Atsimo sy ho fanarenana ny orinasa JIRAMA sy ny Airmad izay notsindrian’izy ireo fa tena potika tokoa. Toraka izany koa ny fanafoanana ilay fifanarahana amin’ny Sinoa mikasika ilay fitrandrahana volamena ao Soamahamanina... Nanambara izy ireo fa manohitra rehefa tsy mety ny hataon’ny mpitondra ho tombontsoan’ny vahoaka tsy vaky volo.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT