Ao anatiny tsara amin’ny fampahafantarana ny kandida izay tohanany amin’ny hazakazaka ahazoana ny lapan’ny
tanànan’Antananarivo dia ny kandida laharana faha-2 anaty bileta tokana, Rina Randriamasinoro, ankehitriny, ny Jeune TIM Analamanga, raha ny fanamafisan’ny filohany, Heriniaina Razanadrakoto. Efa hita koa ny lesoka teo aloha mikasika ireo fanaraha-maso ny valim-pifidianana na tamin’ny fifidianana filoham-pirenena io na depiote. Manana ny stratejia hanoherana ny hala-bato sy hosoka ny Jeune TIM, hoy izy, ho an’ity fifidianana kaominaly ity. Tsy hanaiky hala-bato intsony izahay. Ho hentitra ny fanaraha-maso ary hitondra porofo tena mivaingana izahay, raha sanatria mbola hisy izany. Raha misy ny tsy fahafaham-po manoloana ny zava-mitranga dia tsy maintsy hisy ny fanapahan-kevitra mifanaraka aminy, hoy hatrany izy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.