Mankato ny fanapahan-kevitry ny filohan’ny ankolafy Marc Ravalomanana hanohana ny kandida Robinson Jean Louis ny antoko MFM (Mpitolona ho amin’ny Fandrosoan’i Madagasikara), raha ny fanazavan’ny Sekretera jeneralin’ity antoko ity sady mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita Rakotovazaha Olivier. Nitolona hatramin’ny ny hiverenana amin’ny ara-dalàna ny MFM, hoy ity farany, ary dingana amin’ny famerenana an-tanindrazana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana io. Fantatra moa fa hanao “Vovonana” na filankevi-pirenena ity antokon’i Manandafy Rakotonirina ity ny 19 sy 20 septambra izao, hamoriana ireo mpikambana MFM avy amin’ny Faritra 22 manerana ny Nosy, handinihana ny raharaham-pirenena, hifampitana vaovao, handraisana toromarika sy fanapahan-kevitra ihany koa. Azo antoka fa dia hisy fanambarana ofisialy hataon’ity antoko ity aorian’izay.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.