Taorian’ny Diosezin’i Toamasina dia i Moramanga indray no nampiantrano ny filankevitry ny talen-tsekoly katolika. Nanomboka tamin’ny 2015 dia nisafidy manokana hiara-kiasa amin’ny CNaPS ny DINEC.
Mandritra ny filankevitry ny talen-tsekoly dia nofanina manokana nandritra ny roa andro hahafantatra ny lalàn’ny Fiahiana ara-tsosialy ireo talen-tsekoly. Misy tamin’izy ireo no efa mahafantatra ny lalàna velona. Tao koa ireo vao nampahalalaina fa zo fototra ny fananana fiahiana ara-tsosialy ary adidin’ny mpampiasa ny mampiditra ny mpiasany ho mpikambana CNaPS mba hahafahan’ireo olom-pehezina misitraka ny zony ara-tsosialy. Rariny loatra mantsy raha tsinjovina ny zon’ny mpiasa satria mpiasa tahaka ny mpiasa rehetra ny mpampianatra izay manao ny ainy tsy ho zavatra amin’ny fanabeazana ka mendrika ny hahazo zo amin’ny maha olombelona azy sy amin’ny maha mpanabe azy. Distrika valo no mandrafitra ny Diosezin’i Moramanga izay ahitana sekoly miisa 26 ary mpampianatra 104. Aorian’i Moramanga dia hihazo ny Diosezin’i Toliara indray ny ekipan’ny CNaPS sy ny DINEC.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.