``Miala any e, miala any ry be ... Sinema``. Niteraka resabe teny anivon ny fiarahamonina ka anisan`ny tena nanamarika ny mpanara-baovao ilay resaka ``Kolikoly avo lenta`` nahavoarohirohy tompon`andraikitra ambony maro eo anivon`ny fitondrana mahakasika an`i Houcine Arfa,
ilay gadra tafaporitsaka. Tao koa ny afera Tatandraza Marc izay nitsagana tamin`ny maty, hono, fa te hitovy amin`ny zanak`Andriamanitra ka karohina sy henjehina fa tsy mety tratra. Dia tena mahagaga ilay fitohizana tranga hafahafa eto a. Ratsy fanombohana Ramalagasy tamin’ity taona ity vokatry ny rivodoza AVA, hany ka vao mainka mitombo fatratra ny fahasahiranana amin`ny fiainana andavanandro. Indrisy, tsikaritry ny maro fa ampy traikefa amin’ny politika manararao-paty ny fitondrana misy eto amin’izao fotoana, maty izay vao be galona Ramalagasy; maivana be ny resaka fisoroahaha nyloza mety hitranga. Arak`izany dia miasa mafy ny eo anivon`ny seraseram-panjakana mba ahafahana misarika ny saim-bahoaka amin`ny trangam-piarahamonina isan-karazany mba hanafenana ny fiakaran`ny vidim-piainana angamba a…. Ary mba aiza avokoa ny raharaha Antsakabary sy Soamahamanina e ? Tena mila malina fa ho avy atsy ho atsy ireo kajikajy politika indrindra amin`ìzao fotoana akaiky fifidianana izao ka mipoitra daholo ny resa-be etsy sy eroa, tantara atsangana sy sarimihetsika, mba hanodikodinana ny saim-bahoaka tsy hifantoka amin’ny fahasahiranana e !
Marigny A
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.