Politique

Fanodinkodinam-bola 390 tapitrisa ariary Voatonona koa ny senatera Riana Andriamandavy VII


  • Alakamisy 01 Desambra 2016

Miketrika mafy tamin’ny fanavotana ny ben’ny tanànan’Ambohimahamasina Tsabo Pierre sy i Claudine Razaimamonjy, voafatotra tamin’ny resaka kolikoly sy fanodinkodinana vola mitentina 390 tapitrisa ariary,

 fanampiana ny  kaominina tany an-toerana, hoenti-manangana fotodrafitrasa ny taona 2014 ny loholona Riana Andriamandavy VII amin’izao fotoana izao. Voalaza fa nivezivezy teny amin’ny Bianco Ambohibao mihitsy izy nandritra ny fitazonana io ben’ny tanàna io sy ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny minisiteran’ny atitany. Mivoaka tsikelikely ny feo ankehitriny fa tafiditra amin’io raharaha io ny tenany noho izy nitana ny toeran’ny lehiben’ny faritra ny taona 2014, ary izy no voalaza fa tompon’antoka tamin’ny fanomezana ny tsena ho an’i Claudine Razaimamonjy, zaobaviny ihany. Mety io no nahataitra azy ka nitadiavany fomba hanafahana ireto farany, mba tsy hahavoasaringotra azy ao anatin’ny raharaha.  Maro no mihevitra fa anisan’ny olona tokony hohadihadiana sy samborina ity loholona ity, saingy mety noho io toerany io, izay hananany ny zo tsy azo samborina no mbola hahafahany miriaria. Efa zary fiheren’ny mpanao kolikoly sy mpanao afera maloto izany izao ny antenimiera, raha tena mitombina fa anisan’ny olona voarohirohy amin’izao raharaha izao ihany koa i Riana Andriamandavy VII kanefa tsy azo enjehina.

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT