«Miombom-po ny firenena rehetra fa tsy hisy fifidianana, tsy hisy fankatoavana iraisam-pirenena ary tsy ho afaka ny sazy mianjady amin’i Madagasikara raha tsy tafaverina an-tanindrazana ny tenako», hoy i Marc Ravalomanana raha nitafa mivantana tamin’ireo mpandala ny ara-dalŕna tamin’ny alalan’ny antso an-tariby tao amin’ny Magro Behoririka, omaly.
Nanao tatitra tsotra momba ny diany tany Addis Abeba (Etiopia) nandritra ny fivoriambe faha-18-n’ny Vondrona Afrikanina ny tenany. Nambarany fa filoham-pirenena sy tomponandraiki-panjakana ambony maro, miampy ireo solontenan’ireo mpamatsy vola toy ny Banky Iraisam-pirenena, ny Vondrona Eoropeanina no nihaona taminy. Samy nanambara ireo filoham-pirenena sy tomponandraiki-panjakana, hoy i Marc Ravalomanana fa tsy maintsy tanterahina ny fiverenany an-tanindrazana tsy misy fepetra. Ireo mpamatsy vola kosa dia nampahatsiahy fa ny fanampiana ara-bola avy amin’izy ireo no anisan’ny miantoka ny asa fampandrosoana. Tsy misy fampandrosoana azo atao raha tsy misy ny filaminana sy ny fitoniana.
Ny zava-misy anefa dia toy ny tany tsy misy lalàna fa samy manao izay saim-pantany ny rehetra, hany ka mampihoron-koditra ny tsy fandriampahalemana, tsy an-drenivohitra ihany fa hatrany ambanivohitra rehetra any, hoy ny filoha Ravalomanana. Tsy afaka hamokatra ireo tantsaha, hoy izy raha tsy misy fitoniana sy fanantenana ny amin’ny hoavy. Manoloana izany indrindra dia miantso ireo tomponandraikitra misahana ny fandriampahalemana ny tenany mba handray ny andraikiny. Fa araka ny vaovao ihany dia anisan’ireo nisolovava an’i Madagasikara tamin’ity fihaonan’ny Vondrona Afrikanina tany Addis Abeba ity ny minisitry ny raharaham-bahiny maorisianina, Arvin Boolel, ny amin’ny tokony hanafoanana ny sazy mihatra amin’i Madagasikara. Nolavin’ireo mpandray anjara avy hatrany anefa ny fangatahan’ity minisitra maorisiana ity. Fahafaham-baraka no setrin’izany, araka ny fanazavana ihany.
Nambaran’ireo mpivory fa tsy Maorisy i Madagasikara ary mahafantatra ny zavatra nitranga taty Madagasikara ireo mpizaika. Manoloana izany indrindra dia niantso ireo mpanara-dia azy ho mailo ny filoha Marc Ravalomanana satria misy olona tsy ampoizina kanefa dia miray tsikombakomba amin’ny FAT. Tsy fotoanan’ny fifanenjehana na fifanaratsiana izao, hoy ihany i Marc Ravalomanana fa fotoana hijerena haingana izay vahaolana hamahana ny krizy eto amintsika. Tokony haseho amin’izao tontolo izao, hoy ihany izy fa vitan’ny samy Malagasy ny mamaha ny krizy politika ao aminy.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.