Politique

Fankalazana ny 29 martsa Hidina an-dalambe i Alain Ramaroson


  • Zoma 25 Martsa 2016

Miantso ny vahoaka ho eny amin’ny Esplanade Analakely atoa Ramaroson Alain mba hilahatra hametraka voninkazo ho an’ny maherifon’ny 29 martsa. Hitondra valin-kafatra ho an’ny mpandala sy ny mpankasitraka ny frankofonia izy sy ny mpiara-dia aminy amin’ny 29 martsa ho avy izao.

 

Hanao dia be miala avy eo amin’ny esplanade Analakely izy ireo ary miantso ny vahoaka malagasy hanotrona azy. Hifarana amin’ny fametrahana fehezam-boninkazo ho fanomezam-boninahitra ireo maherifon’ny firenena eny Ambohijatovo ny diabe. Nanambara Atoa Ramaroson Alain fa amin’io fotoana io ihany koa no hanambarany ny daty hanaovana ilay hetsika entina manamarika ny fitakiana ny nosy éparses. “Nanao ny diabeny ny frankofonia ny 20 martsa lasa teo tsy nisy olana ary nahazo alalana tamin’ny fanjakana. Tsy hitako izay tsy hamelana anay hanao io filaharana sy fanateram-boninkazo io. Marihiko fa fanomezana voninahitra ireo Raiamandrenintsika no antony”, hoy izy. Ho an’ny mpitandro ny filaminana, tsy miova ny fomba fiasa. Tsy maintsy ho tonga eny an-toerana ny avy ao amin’ny Emmo mba hitandrovana ny fandriampahalemana, hoy ny nambaran’ny jeneraly Rakotomahanina Florens, lehiben’ny vondron-tobim-paritry ny zandary ho an’Antananarivo. Rehefa misy ny famoriam-bahoaka dia tsy maintsy tonga hatrany izahay mpitandro ny filaminana mitsinjo sy manara-maso akaiky ny zava-misy rehetra. Momba ny fahazoan-dalana indray dia ny Prefen’ny polisy sy ny kaominina no tompon’andraikitra amin’izany, hoy ny jeneraly Rakotomahanina Florens. Ny prefen’ny polisy kosa indray dia nanipika mazava fa eny Ambohijatovo sy eny amin’ny Mausolée no toerana voatondro hanaovana ny fanamarihana ny fankalazana rehetra fa tsy ao anatiny ny Esplanade. Mety hafanafana indray ve izany ny fahatsiarovana ny 29 martsa amin’ity taona ity ? Tsy takona afenina mantsy ny hafanam-pon’ny olona efa te haneho fihetsika samihafa. Mety ho amin’io fotoana io ve izany ilay nandrasana ?

Andry Ratovo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT