Politique

Fankalazana ny 26 jona Tandindomin-doza ?


  • Sabotsy 25 Jona 2016

Hentitra ny jeneraly Florens Rakotomahanina omaly fa dia tsy maintsy hosamborina raha tonga eny Mahamasina ny Loholona Lylison.

Tsy misy adihevitra be tokony hatao, hoy izy satria mbola manankery tsara ny didy fampisamborana ity loholon’i Madagasikara nambara fa tratra ambodiomby nanao asa fanakorontanana sy fiantsiana fankahalana ny fitondram-panjakana  ity.

Misavorovoro

Hentitra dia hentitra manomboka anio ny fitandroana ny fandriampahalemana ary nanome toky ny fitondram-panjakana fa hilamina ny lanonana rehetra mifandraika amin’ny fanamarihana ny faha-56 taona niverenan’ny fahaleovantena. Tandindonin’ahiahy ihany anefa ny maro satria iaraha-mahalala ny tsy fisian’ny fitoniana ara-politika eto amin’ny firenena na koa ny fisian’ny sangodim-panina politika hifanandrinan’ireo samy efa manan-talenta amin’ny fanambakana ny vahoaka  ambara fa  masi-mandidy ao amin’ny lalàmpanorenana. Nolazaina fa karohina ary azo samborina avy hatrany ny loholona Lylison, afak’omaly anefa dia mbola afaka namoaka fanambarana an-tsary ihany izy. Tsy hita izay fihesiky ny fitondrana foibe izay tsikaritra ho miha malemy isan’andro. Don-tandroka no nataon’ireo tompon’andraikitry ny filaminana omaly, izay tsy nilaza mazava hoe :mahafantatra ny toerana hiafenan’ny senatera Lylison ve sa tsia. Azo heverina ihany anefa fa fomba fiady koa ny mody fanina, fa ny vela-pandrika dia efa vonona ka raha diso mahatoky tena ka hipoitra eo ny kolonely Lylison dia horaisim-potsiny. Re ihany koa anefa, etsy an-kilan’izay fa efa lasa lavitra ity resaka kolonely Lylison ity ary efa miteraka fivakisana any anaty foloalindahy any mihitsy aza. Ny filoha Rajaonarimampianina, filoha faratampon’ny foloalindahy koa moa etsy an-kilan’izay dia tsy hita izay tena hevininy. Matahotra ny olon-tsotra sao hikorontana ity 26 jona 2016 ity ka sanatria ho varavarana misokatra any amina krizy vaovao indray.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT