Politique

Fanjakana tsara tantana Hanampy antsika i Norvezy


  • Zoma 27 Septambra 2019

Taorian’ny fisoloana tena ny filohan’ny Repoblika nandritra ny fihaonamben’ny Firenena Mikambana dia nihaona tamin’ny praiminisitra Norveziana, Erna Solberg, ny praiminisitra Ntsay Christian ny alarobia lasa teo.

 Fotoana iray nahafahana nifanakalo hevitra momba ny hanatsarana ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta izany. Voalaza ary fa ankoatra ny fandraisan’i Norvezy anjara amin’ny fampiharana ny fanjakana tsara tantana sy ny ady amin’ny kolikoly dia hisandrahaka amin’ny sehatry ny fampianarana, ny fambolena, ny fahasalamam-bahoaka, ny indostria ary ny toekarena ny fanampiana. Nampahafantatra ny praiminisitra Malagasy fa manasa ny firenentsika handray anjara amin’ireo fivoriana iraisam-pirenena karakarainy mandritra ny volana oktobra ho avy izao i Norvezy, indrindra ny fivoriana mahakasika ny sehatry ny ranomasina. Nambarany ihany koa ny fangatahana ny  fanohanan’i Madagasikara an’i Norvezy, mikasika ny filatsahany hofidiana ho mpikambana ao amin’ny sampana miandraikitra ny fandriampahalemana eo anivon’ny Firenena Mikambana, amin’ny taona 2020.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT