Tsy nampandry andro sy alina ny Malagasy mitaky ireo nosy malagasy ho an’i Madagasikara ny fanambaran’Atoa Stanislav Akhmedov,
masoivohon’ny Federasionan’i Rosia ny alarobia lasa teo teny amin’ny lapan’i Mahazoarivo fa an’ny Malagasy ny nosy « éparses » araka ny fehin-tenin’ny Firenena Mikambana ka tokony hotanterahina. Tsy mbola re moa hatramin’izao izay mety ho valin-tenin’ny frantsay indray taorian’iny fanambarana iny. Ny azo antoka dia nampitsangam-bolo azy ireo izy iny. Ny Mpitondra fanjakana Hvm no mety hitavozavoza amin’io fitakiana ny nosy éparses io ary efa tsinjo amin’ny fomba famalin’ny filoham-pirenena ireo mpanao gazety mametraka fanontanina aminy momba ireo nosy éparses ireo. Teny Mahazoarivo no nanao iny fanambarana iny ny masoivoho rosianina izay nanamafy fa tsy tongatonga ho azy ny maha eo anilan’ny praiminisitra ny tenany fa noho ny maha mpinamana an’i Madagasikara sy Rosia. Tsiahivina ihany fa ny praiminisitra dia manamboninahitra jeneraly nandranto fianarana tany Rosia ary toy ny misotro rano izy rehefa miteny io fiteny iray io. Ny jeneraly Ravelonarivo Jean izay novolavolain’ny Amiraly Ratsiraka, olona akaiky ny fanjakana sovietika tamin’izany fotoana. I Madagasikara dia nifasidy ny firehan-kevitra sosialista sovietika. Ary nisy fifandraisana lalina teo amin’ny tafiky ny roa tonta. Rava moa ny vondrona sosialista rehefa nilofika teo amin’ny ady mangatsiaka ny mpiara-dia tamin’ny firaisana sovietika. Nangingina ny fifanandrinana ara-politika teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena nanomboka teo ka hatramin’ny nitsanganan’ny Bric’s indray. Ny Bric’s dia banky iray ifandrimbonan’ny fanjakana Rosianina, Brezilianina, Idianina, Sinoa ary ny Afrikanina Tatsimo. Niverina amin’ny heriny tanteraka i Rosia ankehitriny izay miara-dalana amin’i Sina, firenena matanjaka ara-ekonomika indrindra eran-tany. Raha manao indray mijery ny zava-misy any Siria sy ny any Okraina isika dia mahita ny fihenjanan’ny politikan’ingahy Vladmir Poutine, praiminisitra rosianina. Fehiny, iny fanambarana iny izany dia midika fa vonona hiditra lalina amin’ny raharaham-pirenen’i Madagasikara i Rosia fa izay mety ho fihetsiky ny fitondrana malagasy no asa.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.