Endrika tsy fangaraharan’ny fitantanana sy fisian’ny fanodinkodinam-bola no niseho tao anatin’ilay raharaha 65000Ar
tokony hotsinjaraina amin’ny mpiasam-panjakana satria ny governemanta izao no nilaza fa tsy mifanaraka amin’ny tapaky ny filankevitry ny minisitra ny fanomezana vola tsy mifanaraka amin’ny voalaza. Misy minisitra mbola sahy milaza fa tokony ho an’ny mpiasan’ny minisitera ihany fa nisy ambiny dia nomena ny mpampianatra. Angaha ireo tsy mpiasam-panjakana ? Lojika raha misy ny fitokonana satria tsy rariny loatra ny fanambaniana. Endrika iray hitarafana ny fomba fitantanana ny firenena ireny. Hitarafana ny fanjakana sy ny mpitondra amin’ny fomba fitantanany ny volam-bahoaka. Mazava ary lojika raha tsy hanome sy tsy hamatsy vola be antsika ny mpamatsy vola sy ny mpiara-miombon’antoka. Tsy misy zavatra mangarahara fa toa hanjakan’ny kolikoly sy ny aferafera ny fitantanana. Toa mitarazoka sy hampanginginina anefa iny raharaha iny na dia eo aza ny ambara fa fisiana fitsirihana na « audit » nambara fa hatao. Resahina ny ady amin’ny kolikoly, mandeha ny fanagadrana ireo mpitantana teo aloha, saingy ny ankehitriny tao mitady ho vitavita ho azy. Majifa amin’ny fitantanana tsy mazava ny volam-bahoaka. Hiakatra be anefa ny hetra amin’ity taona ity mba hahafahan’ny fanjakana mampitombo ny loharanom-bolany izay lojika satria tsy dia mahazo vola avy any ivelany. Vinavinaina ho 1 474 miliara ariary ny fampidiram-bola amin’ny alalan’ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika amintsika na ny PTF amin’ity 2020 ity, raha ny voasoratry ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.