Politique

Fanjakana Rajoelina Tena kinga amin’ny fakana fananan’olona ?


  • Zoma 08 Febroary 2019

Manomboka mihetraketraka ny fanjakana Rajoelina. Raha ny fampitam-baovao avy any Antsiranana dia raikitra ny fandrefirefesana ny tanin’ny orinasa Tiko any Arasara any Antsiranana any.

 Efa nambara sy nakana ny fon’ny olona tamin’ireny fampielezan-kevitra ireny rahateo ny resaka fizarana tany, toy ny tany Ambatondrazaka. Sahiny mihitsy ny niteny fa hizarana tany 10Ha avy ny tanora tsy an’asa. Novoizina ny hoe : haverina aminareo ny taninareo nalaina tamin-kery. Niadian-kevitra tamin’ny fifanatrehan’ny kandida roa tonta tamin’ny haino aman-jerim-panjakana ny resaka tany, izay nisy dingana mazava sy ara-dalàna ny nahazoana azy. Tetehina halaina amin-keriny ny fananan’olona amin’izao mba hoenti-maka ny fom-bahoaka sy hilazana fa havanana amin’ny fanatanterahana ny fanamby ? Ny lamasinina frantsay haingam-pandeha (TGV) rahateo no nalaina tahaka tamin’ny fananganana ny antoko ka ho TGV amin’ny hetraketraka, fanenjehana sy fanaratsiana ary ny fakana fananan’olona sa TGV amin’ny asa ? Asa raha misy ifandraisany amin’ny mpitondra ankehitriny itony tany voalaza fa lasan’ny mpanam-bola mety Malagasy na karana eny Antohamadinika sy Andohatapenaka itony ? Ny fanenjehana ireo tsy mitovy hevitra, tsy tonga teo akory ilay filoha dia efa nisantatra izany ny ekipany. Ny fanaratsiana samihafa, toy ny karazana eson-teny natao ireo filoham-panjakana telo teo aloha moa manginy fotsiny. Betsaka ireo fampanantenana natao. Sao lany andro amin’ny hetraketraka sy ny fanenjehana ny mpanao politika mipetraka tsara ka tsy ho vita ny building e !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT