Manamaivan-javatra sy mitady fialana bala na koa zara raha mitady vahaolana petatoko no tena anton-draharahan’ny fitondram-panjakana HVM eo anatrehan’ny olana marolafy eto amin’ny firenena. Mandeha ireny ny resaka “kidnapping”, dia manaboribory resaka hatrany amin’ny hoe:
tsy mety miara-miasa sy manome vaovao ny fianakavian’ny lasibatra. Matetika tokoa dia ny fandoavana ny volabe takian’ireo olon-dratsy ihany no fara vahaolan’ny fianakavian’ireo nalaina an-keriny. Efa izay no fomba fiadin’ny mpaka an-keriny an-taonany maro, dia ny mampitandrina mba tsy hampandre ny mpitandro filaminana, saingy tsy dia mahita vahaolana ny fanjakana, fa ny efa mandeha ny fanadihadiana sy ny fikarohana ihany aloha no hasesika. Nandeha ireny ny pesta teto amin’ny firenena, saingy notsotsorina fotsiny tany am-piandohana, ary efa nisy maromaro maty aza tany Toamasina, tsy nahataitra firy. Efa maty ny teratany Seychellois mpanazatra ara-panatanjahantena iray vao taitra sy mody nikoropaka, hany ka efa manodidina ny 300 no maty, kanefa mbola mirehareha fa nahazo loka iraisam-pirenena ny filoha satria nahafehy ny pesta hono. Midangana ny vidim-bary eny an-tsena, dia sesilany ny hoe efa mandray andraikitra, saingy tsy hita izay tena fivahan’ny olana, fa ny vahoaka no leo mitaraina dia mangina. Mandeha fitsaram-bahoaka etsy sy eroa, saingy mihanahana fomba fiasa hatrany, ary ela vao mahita vokatra. Mipoitra ny vaky fonja ary gadra efa ho 130 tsy hita hatramin’izao, saingy toa vitavita ho azy. Mitavozavoza sy votsa amin’ny fandraisana andraikitra sy famahana olana, saingy mbola mitetateta sy mampiesona amin’ny vina hatrany amin’ny 12 taona ho avy amin’ny alalan’ny “Fisandratana 2030”. Tsy mba mahay miaiky ny fahadisoana sy vonon-kanarina izany, fa ny eo ihany no eo. Zary lasa atao toy ny vakiraoka ny fitantanana ny firenena, ka hoy ny resaky ny olona hoe : tsara amin’ny HVM angamba aloha no miandry amin’ny 2030 sy maka lesona tsara aloha e .
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.