Politique

Fanjakana Rajaonarimampianina Mpiliba sy mpaneso vahoaka


  • Alatsinainy 27 Novambra 2017

Niedinedina ery ny fitondram-panjakana nandeha niliba tany Mahajanga ny faran’ny herinandro teo. Notanterahina tany an-toerana mantsy ny filankevitry ny minisitra mitety faritra ary nifanindran-dalana tamin’izany ny kongresim-paritry ny antoko HVM.

Nivanaka ireo ben’ny tanàna nasaina niatrika, izay midika fa mbola lalina ny hantsana manasaraka ny mpitondra eny ifotony sy ny fanjakana foibe. Volabe no nolaniana tany. Mahavita miliba sy mandany vola ary ombam-bady aman-janaka ny ankamaroany. Vola avy aiza no nolaniana tamin’izany  ? Mirehareha ho mahavita zavatra fa minia jamba sy marenina kosa eo anatrehan’ny fahoriam-bahoaka ! Tsy nahitam-bahaolana mandrak’androany ny fidangan’ny vidim-bary, izay efa tafakatra 3000Ariary ny kilao toy ny any Beparasy Moramanga fa tsy mahataitra ny fanjakana. Efa tany am-boalohany no fantatra fa hilatsaka ny famokarana eto Madagasikara, saingy tsy mba nosainin’ny fanjakana ny fiatrehana azy matoa izao no zava-misy. Ny mpitondra dia mijery lavitra. Ny eto amintsika anefa rehefa miseho ny olana vao mody mandroso vahaolana petatoko na mamono afo sy miala bala. Mbola manaporofo hatrany ny zava-misy fa filoham-pirenena tsy nivonona hitondra fanjakana no misy eto, saingy mahita tsirony amin’ny fahefana, ka mitady ny fomba rehetra hitazonana fahefana. Tsy hisy vahaolana antenaina raha resaka fahasahiranam-bahoaka.  Vao mainka aza hitombo ny fahasahiranana satria hakarin’ny fanjakana tsikelikely ny saran’ny herinaratra ho an’ny orinasa vaventy sy ny indostria eto Madagasikara, hoy ny minisitry ny angovo sy ny akoran’afo, Lantoniaina Rasoloelison.  Mety hisy fiantraikany amina lafin-javatra maro, toy ny fiakaran’ny vidin-javatra.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT