Mampiahiahy ny fihetsiky ny fitondrana ankehitriny. Toa tsy manao afa tsy manamafy ny toerany, hany ka manambitamby ny tafika sy ny mpitandro ny filaminana no anton-draharaha.
Vao tsy ela akory izay ireo manamboninahitra miisa 52 akaiky ny fitondrana no nakarina ho eo amin’ny laharam-boninahitra ambonimbony kokoa, izay hotoloran’ny Filoha Hery Rajaonarimampianina ny faneva eny Iavoloha anio. Nosoloina tamin’ny alalan’ny filankevitry ny minisitra ihany koa ny lehiben’ny prefektiora, ka manamboninahitra, dia ny jeneraly Angelo Christian Ravelonarivo no napetraka eo amin’izany toerana izany. Tsy mazava amin’ny rehetra intsony ny anton’izao fihetsiky ny fitondrana ankehitriny izao, fa ny tsikaritra dia miezaka ny maka ny fon’ny mpitandro ny filaminana izy ireo. Momba ny fanomezana ny toeran’ny mpitantana ny prefektiora ho an’ity manamboninahitra eo anivon’ny zandary ity no tena mahalasa saina. Ahiana ve ny mety hisian’ny hetsika politika na ny hetsi-bahoaka eto Antananarivo ato ho ato, ka efa miomana amin’izany ny fanjakana, ary olona eo anivon’ny mpitandro filaminana no tambazana mafy hiaro ny fitondrana amin’izany ? Efa tsy voafehin’ny fitondrana intsony ny olana eto amin’ny firenena, toy ny delestazy andro aman’alina. Efa tena mafana ra ny olona saingy miandry pitik’afo kely fotsiny, ka izay no atahoran’ny fitondrana. Miketrika mafy ny hihazona ny sezany rahateo ny mpitondra, ka na ny fifidianana aza kotrehina hahemotra, ary ny tafika hatrany no hatao fitaovana hiaro azy ireo manoloana ny mety hisian’ny fitakiana noho ny tsy fankasitrahana intsony ny fanjakana Rajaonarimampianina.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.