Politique

Fanjakana miady an-trano Ho rava ho azy, hoy i Riribe


  • Sabotsy 06 Aogositra 2016

Tsy mitsahatra manome soso-kevitra ny filoham-pirenena hoentina hanatsarana ny fiainam-pirenena eto Madagasikara i Riribe na Rakotomalala Henri hatramin’izay, amin’ny maha mpanao politika azy.

Nasiany teny ny tsy maha mety ny hanilihan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina an’ireo olona nanampy azy tamin’ny fotoan-tsarotra hatrany amin’ny fampielezan-kevitra nahazoany ny toerana maha filoha azy ankehitriny ka mandrak’izao faharoa taona nitondrany izao.  Tokony haka lesona tamin’ny zava-niseho tamin’ireo fitondrana nisy tany aloha izy ka hahatsapa fa ny adiady madinika misy ao anatin’ny fitondrana ao no naharava azy ireo. Hanaovana antso avo koa anefa ny filoham-pirenena amin’ny maha-raiamandrenin’ny firenena azy hananatra sy hanitsy ireo olona manodidina azy raha misy ny fihoaram-pefy mety ataon’izy ireo. Mbola manao antso avo koa ny hampitovian’ny mpitondra fanjakana ankehitriny ny hevitr’izy ireo ka hanalavitra ny fitiavan-tena sy fitiavam-bola be loatra ary tsy hikatsaka afa-tsy ny tombontsoan’ny vahoaka ka hanafoana tanteraka ny fahantrana lalina mianjady aminy. Manamafy ny fanoherany tanteraka ny endrika savorovoro misy koa ny tenany, indrindra fa ny fanonganam-panjakana fa mampirisika ny mpanohitra hilaza ny heviny sy hanome soso-kevitra ny fitondrana misy.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT