Politique

Fanjakana manavakavaka Ankilabao ny faritra 11 ambiny…


  • Zoma 11 Oktobra 2019

Tamin’ny 20 febroary 2019 no najanona ireo Lehiben’ny faritra ka tsy afaka hatao mpisolo toerana mandrakizay fa tsy maintsy nandray fepetra, hoy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina Rajoelina tamin’ny fandaharana manokana nataony ny alahady 6 oktondra teo. Izany no antony nanendrena ny governora.

 

Vola 1,045 miliara ariary no nambarany fa efa nomeny ho an’ny governora, ka ho anareo voatendry dia ataovy ny tsena, làlana Pavé,… fa horefesina ny asa vitanareo, hoy ny Filoham-pirenena Andry. Governora 11 hatreto no notendrena ary mbola miandry ny faritra 11 ambiny. Miandry ve zany ny fampandrosoana amin'ireo faritra 11 hafa? Ho avy tsy ho ela ny fanendrena manaraka satria iarahana amin’ny Minisiteran’ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana. Mbola misy fifantenana ny olona homena ny andraikitra mialohan’ny faran’ny taona, tsy hiandry faran’ny taona, hoy ny Filoha. Mbola 3 volana latsaka vao mifarana ny taona ka tsy hay marina hoe rahoviana io? Ny raharaham-pirenana mandeha ihany, ary mety hifantoka bebe kokoa amin’ny fifidianana isika ato ho ato. Tsy homena 1 miliara Ariary izany ireo ambiny raha tsy voatendry ny governora nefa ny fahavatatra ho avy tokony mba hanao lalana, hisoroka areti-mifindra Fanjakana? Miharihary ny fanakavahana sy ny tombo sy hala, raha dinihina ny zava-misy ka andrasana na hohafainganina ny fanendrena ireo ambiny sy ny fanomezana vola hiasana na tsia. Na ny kajikajin’ny filoha amin’ny asa atao aza dia niainga tamin’ny governora 11 ihany. Nambara fa homena fitaovana feno ireo governora. Tsy maintsy manao làlana 25km isam-bolana farafahakeliny na 300 km isan-taona ny faritra isan-taona izany hoe làlan-tany 30 000 km no ho vitan’ireo governora. Ho an’ny tampon-tànana dia omena vola ihany koa ka farafahakeliny 5km isan-taona ny làlana rarivato. Ny minisitera kosa no hanao ny làlana an-tanàn-dehibe. Homena fahefana bebe kokoa ny governora hanao izany. Maro ny làlana hataontsika! Taiza teto amin’ny firenena no nisy an’izany hoe làlana 30 000km no hatao? Hoy I Andry Rajoelina. Horefesina izany ka izay tsy mahavita dia hesorina. Azo hoanina indray ny làlana !

Toky R

    

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT