Efa efatra herinandro tsy nisy mpihaino sy mpiraharaha ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra na ny SECES. Mikatso tanteraka ny anjerimanontolon’Antananarivo. Nihamafy ny fampikatsoana ny asa fampianarana omaly satria nikatona ny oniversiten’Ankatso, ENS Ampefiloha, Politeknika Vontovorona.
Zary resaky ny moana sy ny marenina ny famahana ny olana, izay tsy vao izao fa efa an-taonany. Miantso an’efitra ny SECES Sampana Antananarivo satria tsy nisy ny fihainoana nataon’ny fanjakana mahefa, izay notsindrian’ny filohan’ny SECES Antananarivo Ravelonirina Sammy Gregoire tamin’ny fiandohan’ity fa ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra no ambara fa fanjakana mahefa eto. Raha toa ka heverin’ireo olona ireo ho laharam-pahamehana ny raharaha manodidina ny anjerimanontolo sy ny foibem-pikarohana, dia heverinay fa mba nanana fotoana na 5 minitra monja aza hihainoana ny solontenan’ny SECES Antananarivo izy ireo, hoy hatrany Atoa Ravelonirina Sammy Grégoire. Mbola nanamafy ny antso ary miandry sy manantena fandraisana sy fifampidinihana izy ireo. Anisan’ny olana mahatonga ny fitakiana ny: tsy fahampian’ny Mpampianatra sy Mpikaroka, kanefa tsy misy ny fandraisana vaovao; Ireo am-perinasa nahavita be tamin'ny fanompoana tsy hasondrotra noho ny fikatsoan'ny ''reclassement'' sy ''avancement'' navoakan'ny minisiteran'ny toekarena sy vola ary ny tetibola. Ireo zokiolona manana traikefa tsy avela hanohy satria nofoanana ny ''maintien en activité''. Raha toa ka tsy misy ny famahana ny olana dia miitatra, ary mety hiteraka zavatra tsy ampoizina eny anivon’ny anjerimanontolo. Tsy hiverina hiasa ireo mpampianatra raha tsy misy ny dingana hamahana ny olana, izay azo adika fa raha izao mitohy dia mizotra mankany amin’ny taona fotsy ny eny amin’ny anjerimanontolo. Na mivaha aza ny olana dia efa azo sokajiana ho taona maty ny fahatarana samihafa ateraky ny fikatsoana noho ny fitokonana na fitakiana samihafa miseho, izay manakorontana ny tetiandro na lasa rotoroto ny fanonerana ny fotoana. Tsy vao izao rahateo ny olan’ny fampianarana ambony fa efa an-taonany maro, saingy tsy misy vahaolana na fampanantenana na vahaolana petatoko, ka tsy atao mahagaga raha miseho hatrany ny fitakiana sy fitokonana. Fomba fanao aza ny fandefasana herim-pamoretana handrava hetsika rehefa tena mafana sy miitatra, tahaka ny natao tamin’ny mpianatry ny Politeknika Vontovorona vao tsy ela akory izay. Niafara tamin’ny fisamborana ireo mpitarika sy fampiakarana fitsarana ka nanomezana sazy miantona ny filohan’ny fikambanan’ny mpianatra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.