Tsy voatery ho mahery fihetsika avokoa rehefa mpino silamo. Tsy azo lavina anefa fa misy ary nandrongatra ny asa ratsiny tato ho ato.
Saika manerana izao tontolo izao, indrindra, ny tao Frantsa sy Alemaina ary Etazonia dia saika nitrangana asa fampihorohoroana izay efa voamarina fa asa ratsin’ireto silamo mahery fihetsika ireto ny ankamaroany. Nampivarahontsana hatrany ny tarehimarika mikasika ireo naratra sy maty vokatry ny vy very aina sy fampihorohoroana nafitsoky ny fanjakana Islamika faramparany teo.
Finoana no resahana
Tsy azo adinoina ihany koa fa na inona na inona resaka finoana dia matetika mivoy fa ny azy ireo ihany no fivavahana marina. Mampiahiahy ny naheno fa efa ho herintaona mahery izao no nisian’ny didy mamela malalaka hanorina moské an’arivony eto Madagasikara. Araka ny fitantaran’ny mpino kristianina mpitory ny filazantsara iray nandalo vao haingana tany Mahajanga izao dia efa miha maro ny mpino silamo any an-toerana ary dia na tsy mpino aza dia lasa mankafy fanamiana silamo ihany koa.
Mampiasa vola be
Ekena fa kolontsain’ny silamo tsy mahery fihetsika ny manampy ny mpiara-belona aminy ary tsy misy maha ratsy an’izany. Mbola mampiahiahy ihany koa anefa matetika ny fitobahan’ny vola hanaovan’ny silamo sasany ireny karazana asa sosialy ireny. Efa hafatry ny Papa François tamin’ny tanora Katolika farany teo ary mbola nohamafisiny tamin’ny alahady fa zezika mampahomby ny fitobahan’ny asa fampihorohoroana eto ambonin’ny tany ny fanindraindrana ny vola. Mihetsiketsika mihitsy ireto silamo ireto manangana sekoly, trano fitsaboana, ivontoerana sosialy sy ny hafa maro tsy voatanisa ary dia tsy vitsy ankehitriny ny voasarika. Ny Frantsay sy ny Amerikanina moa dia samy efa nilaza fa manana tsiliam-baovao azo omena mikasika ity fanjakana izay mitady hibodo izao tontolo izao ity. Moa mba efa naka izany tamin’ireo ve ny fitondram-panjakana Malagasy ? Ilaina dieny izao ny manavaka ny vary sy ny tsiparifary na ny mahery fihetsika sy tsy mahery fihetsika sao tara loatra ka sanatrian’izany mbola hisy tranga mandoza lavitra noho ireny tany Beroroha sy tetsy Mahamasina ireny.
Faralahimatoa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.