Politique

Fanjakana HVM Ratsy fifandraisana amin’ny Katolika?


  • Sabotsy 30 Jolay 2016


 

Lasibatry ny halatra lakolosy hatramin’ny septambra 2015 ny Eglizy Katolika Romana (EKAR)  eto Madagasikara. Ity farany izay namaky bantsilana foana ny tsy fandehanan-draharaham-pirenena. Mahitsy rahateo ny fanambaran’ny «Commission Episcopale Justice et Paix»tamin’ity tapaky ny volana jolay 2016 ity fa manjombona ny tabilaon’ny fiarahamonina Malagasy. Nitanisa ohatra maro toy ny tsy fandriampahalemana, ny fitantanana tsy mahomby, ny kolikoly lavareny na koa ny fanitsakitsahana ny fahalalahana ny Vaomiera Episkopaly Rariny sy Filaminana. Efa naneho hevitra mikasika ny fiarovana ny harem-pirenena sy ny fomba fitondran’ny manampahefana ny firenena ny «Conférence des Evêques» ny fiandohan’ny volana mey 2016. Nihaona tamin’ny filoham-pirenena teny Iavoloha ihany koa ny delegasionina notarihan’ny Maonsenera Paulo Rocco ny faran’ny volana aprily 2016. Nampijoro ny mpino Katolika manokana kosa ny olana mikasika ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany ao Bealanana sy Soamahamanina, ary ity farany ity dia tena nampasiaka mihitsy ny Fiangonana Katolika raha araka ny fanambarana nataon’ny mpitondra fivavahana tany an-toerana, izay niantso mihitsy moa ny ampitsaharana ny fitrandrahana volamena ataon’ny Sinoa ao Soamahamanina. Vahaolana avy amin’ny Ekar moa ny fikarakarana fifampidinihana eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka. Tsy namaly izany anefa hatreto ny fitondrana Rajaonarimampianina mba tsy ilazana fa manohy ny fanaovana be marenina hatrany. Farany teo, teny amin’ny hotely Panorama dia nijoro niaraka tamin’ilay hetsika dinika ho fanavotam-pirenena ny Tanora Kristianina izay tarihan’ny avy amin’ny Katolika, ary azo antoka fa tsy tongatonga ho azy teny izy ireo, na zaza nania sanatria fa efa tena nahazo tso-drano tamin’ny ambaratongam-pitantanana tao amin’ny EKAR mba hamaky bantsilana ny tsy rariny sy ny tsy fahamarinana misy eto amin’ny firenena. Fehiny, efa tena mijoro manakiana ny tsy rariny sy ny gaboraraka amin’ny fitantanana eto amin’ny firenena ny Fiangonana Katolika, izay anisan’ny hery lehibe goavana eto.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT