Hafa ny lazain’ny vava, hafa ny tanterahina. Nanao fanamarihana ampahibemaso sy teo anatrehan’ny Governemanta Ravelonarivo iray manontolo ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina tamin’ny 8 janoary 2016
, nandritra ny Asaramanitra, fa hay maro ny zavatra vitan’ny fitondrany nefa maninona no tsy fantratry ny vahoaka izany ? Maivana, mba tsy hilazana fa tsy mahomby izany ny seraseran’ny fitondrana. Raha fanatsarana izay serasera izay anefa no nandrasana dia vao mainka nanidy trano ny fitondrana HVM ary miseho amin’ny endrika sivana izany. Taorian’ny nanesorana ny talen’ny Televiziona malagasy sy ny tonian-dahatsoratra tao, ary tsy misy solony hatramin’izao, dia fantatra ihany koa izao fa nofoanana avokoa ireo « bulletin » izay gazety boky kely fampitam-baovaon’ireo foibem-pitondrana samihafa eo anivon’ny minisiteran’ny fitantanam-bola sy ny tetibola. Nanana ny azy ny teo anivon’ny Tahirimbolam-panjakana dia ny « Tahiry », fony mbola Raobimanana Orlando no Tale jeneraly tao. Gazety boky sahy namotsipotsitra ny gaboraraka sy namaky bantsilana ny paipaika maloto nataon’ny mpitondra momba ny fitantanana ny volam-panjakana, ny raharaha JIRAMA, Air Madagascar … izay nanakianana azy. Misy ny « Fenitra », eo koa ny « Bitsika » izay ny ao amin’ny Sekretaria jeneralin’ny minisitera no nisahana an’ity farany. Araka ny toromariky ny minisitra dia ny « Bitsika » ihany sisa manomboka eto no mivoaka, dia atambatra ao avokoa ny vaovaon’ny foibem-pitondrana eo anivon’ny minisiteran’ny vola. Fitsitsiana sa mba hahafahana manara-maso ny vaovao mivoaka no anton’io fepetra io ? Ho an’ny mpanara-baovao kosa dia miverina ny sivana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.