Politique

Fanjakana HVM Manomboka mitsipaka an’i Frantsa ?


  • Alakamisy 31 Aogositra 2017

Iray andro taorian’ny nandraisan’ny minisitry ny raharaham-bahiny Henry Rabary-Njaka feno ny fahefana maha minisitra azy, dia masoivoho miisa 3 no tonga nitsidika azy teny amin’ny trano fiasany teny Anosy omaly.

Voalohany ny Masoivohon’i Japon Ichiro Ogasawara. Efa ela ny fifandraisan’ny tany roa tonta. Mpiara-miombon’antoka lehibe amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara i Japon, raha ny fanehoan-kevitry ny minisitra Henry Rabary-Njaka. Anisany ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina ka hampiroborobo ny faritry ny ranomasina Indianina sy Atsinanan’i Afrika. Ao ao amin’ny orinasa Ambatovy ihany koa dia izy no manana antoka be indrindra amin’ny fampihodinana azy. Niarahaba azy teny amin’ny trano fiasany ihany koa ny Masoivohon’i Turquie Volkan Türk Vural, izay nirary fahombiazana ho an’ny minisitra vaovao. Fahatelo ny masoivoho sinoa Yang Xiaoron. Nilaza ny minisitra fa mijery ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy i Sina. Amin’ity taona ity rahateo no hankalazana ny faha-45 taonan’ny fifandraisana ara-diplomatika eo amin’ny Sina sy Madagasikara. Atsy ho atsy dia ny Sinoa no ho firenena voalohany matanjaka indrindra ara-toekarena, ka tsy maintsy mijery ny tombontsoantsika amin’ny fiaraha-miasa amin’ny Sinoa isika mba ho amin’ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy, izay tarihin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina, hoy izy. Toa miha mazava hatrany ny fitadiavan’ny fanjakana Malagasy hirika amin’ny Sinoa sy ny hafa. Toa mihamangatsiaka kosa anefa ny fifandraisana amin’ny Frantsay. Diso fanantenana tamin’ilay volabe 10 miliara dolara nampanantenaina, saingy efa hiherina ny taona tsy nisy ihany, ka izay angamba no hitadiavana lalan-kafa.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT