Politique

Fanjakana Frantsay Manao fampihorohoroana ara-tsaina


  • Alarobia 18 Mey 2016

Tena sarotra ny mahatoky ny Frantsay, be loatra ny sangodim-panina sy ny fihatsarambelatsihy ara-diplaomatika, ny minisiteran’ny raharaham-bahiny Frantsay izao no nilaza sy nanaparitaka fa efa eto Madagasikara ny aretina Zika tamin’ny faran’ny herinandro lasa iny ; izao lazaina indray fa tsy misy, hono.

 

 Nanomboka tamin’ny 4 mey 2016 no hita tao amin’ny tranokalan’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny Frantsay ny hoe « Madagascar est touchée par le virus Zika », izany hoe efa tonga ao Madagasikara ny aretina Zika. Omaly 17 mey milaza indray Rtoa masoivohon’i Frantsa eto amintsika hoe : “"A ce jour, aucun cas suspect ou confirmé de maladie due au virus Zika n’a été déclaré à Madagascar."  Raha adika tsotsotra dia milaza hoe tsy mbola nahitana olona voan’ny viriosy Zika i Madagasikara hatramin’izao. Tsy izany ve no tena hoe manely tsaho sy manaparitaka vaovao tsy marim-pototra ? Famafazan-dainga izay azo sokajiana ho toy ny fampiorohoroana ara-tsaina mihitsy. Tsy tokony ho gaga mihitsy isika noho izany raha amin’ny volana oktobra dia milaza indray ny Frantsay fa tsy tomombana araka ny tokony ho izy ny fanomanana ka noho izany tsy atao eto Madagasikara indray ny fihaonana  an-tampony faha-16-n’ny Frankôfônia.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT