Misavorovoro ny fanjakana Bemazava ao Ambanja hatramin’ny nisian’ny fanoloana mpanjaka tamin’ny 15 oktobra 2015.
Nenjehina ho mpivarotra tanin’ny fanjakana Bemazava i Tsiaraso IV (Rrachid Parfait), Mpanjaka faha-11 nifehy tao an-toerana, ka dia nanangana an’i Ismael A. Ho mpanjaka hifehy ao ireo ray aman-dreny ara-drazana. Tranga izay tsy mpiseho, satria ny fahita dia rehefa miamboho ny mpanjaka vao misy fananganana mpanjaka vaovao mpandimby azy. Ho an’ny ao Bemazava dia avy amin’ny tarana-dehilahy no asandratra ho mpanjaka. Miharatsy andro aman’alina anefa ny toe-draharaha nony taty aoriana, satria dia notorian’ny mpanjaka Tsiaraso IV ho nifofo ny ainy tamin’ny fanambanana basy azy i Ismael A. Nampidirina am-ponja vonjimaika nanomboka tamin’ny alakamisy 8 desambra 2016 ity farany ary hiakatra Fitsarana anio ny raharaha.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.