Politique

Fanjakan’ny korontana


  • Talata 12 Aprily 2016

Fito volana mialoha ny fihaonana an-tampon’ny frankôfônia no mametra-pialana faobe ny governemanta, mariky ny fisiana krizy any amin’ny faratampon’ny fitantanana ny firenena


. Etsy an-kilan’izay dia manomboka mahakely finoana ny hahavitana ara-potoana ireo fotodrafitrasa goavana handraisana ity fivoriana ity. Manampy trotraka ireo ny fitombon’ny fanakianana mavaivay ny fitondram-panjakana ary efa mirona mankany amin’ny fitakiana ny fialan’ny filohan’ny repoblika sy ny fanaovana fifidianana mialoha ny fotoana mihitsy aza tato ho ato izay. Na ny ankizy mpianatra eny amin’ny EPP aza angamba dia tsy misy tsy mahalala intsony fa mievotrevotra fotsiny ireo mpitondra fanjakana, be kabary, be fampanantenana fa tsy misy azo antenaina amin’izy ireo. Tsy fombana be fahatany ireo mitaky fifidianana mialoha ny fotoana tsy akory, fa raha mbola tohizana kosa izao sangodim-panina amin’ny fitantanana ny firenena izao dia hiafara amin’ny ady an-trano ny eto Madagasikara eto atsy ho atsy. Roa taona sy tapany nandany andro tamin’ny andrakandrana teto, tsy misy famatsiam-bola azo, tsy misy asa mivaingana vita, fanenjehana ny mpiray tanindrazana no natao, ny vahiny amin’io mahazo tombontsoa mihoapampana. Ny fianakavian’ny mpitondra mangoron-karena faran’izay zokiny, manararao-pahefana manindry ny madinika. Fanjakan’ny korontana no misy fa tsy mpitondra matsilo saina hanarina ny firenena.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT