Fito volana mialoha ny fihaonana an-tampon’ny frankôfônia no mametra-pialana faobe ny governemanta, mariky ny fisiana krizy any amin’ny faratampon’ny fitantanana ny firenena
. Etsy an-kilan’izay dia manomboka mahakely finoana ny hahavitana ara-potoana ireo fotodrafitrasa goavana handraisana ity fivoriana ity. Manampy trotraka ireo ny fitomboan’ny fanakianana mavaivay ny fitondram-panjakana ary efa mirona mankany amin’ny fitakiana ny fialan’ny filohan’ny repoblika sy ny fanaovana fifidianana mialoha ny fotoana mihitsy aza tato ho ato izay. Na ny ankizy mpianatra eny amin’ny EPP aza angamba dia tsy misy tsy mahalala intsony fa mievotrevotra fotsiny ireo mpitondra fanjakana, be kabary, be fampanantenana fa raha ny tena marina dia tsy misy azo antenaina amin’izy ireo.Tsy fombana be fahatany ireo mitaky fifidianana mialoha ny fotoana tsy akory, fa raha mbola tohizana kosa izao sangodim-panina amin’ny fitantanana ny firenena izao dia hiafara amin’ny ady an-trano ny eto Madagasikara eto atsy ho atsy. Roa taona sy tapany nandany andro tamin’ny andrana teto, tsy misy famatsiam-bola azo, tsy misy asa mivaingana vita, fanenjehena ny mpiray tanindrazana no natao, ny vahiny amin’io mahazo tombontsoa mihoapampana. Ny fianakavian’ny mpitondra mangoron-karena faran’izay zokiny, manararao-pahefana manindry ny madinika.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.