Naneho ny heviny mikasika ny fipetraky ny raharaham-pirenena, taorian’ny nahavitan’ny sonia ny tondrozotra i Fanja Lalaina Lazarre Ignace, tanora mpila ravinahitra any Frantsa any ary mpikambana ao amin’ny Ankolafy Zafy, raha nihaona tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny Villa Elisabeth Ivandry, omaly.
. Tamin’izay no nanoritany mazava fa tsy te hiditra amin’ny resabe ateraky ny fandikana izay voarakitry ny sori-dalana natao sonia iny ny Ankolafy misy azy. Nambarany fa mbola hisy ny fihaonan’ireo filohan’ny Ankolafy, handaminana ny tetezamita, araka ny nambaran’ny Troika tamin’izy ireo, araka ny filazany hatrany. Miankina amin’ny FAT anefa, hoy izy, ny hahatanterahan’izany. Mikasika ny hanankinana ny fitarihana ny vaomieran’ny fampihavanam-pirenena amin’ny Pr Zafy Albert indray dia nohazavain’i Fanja Lalaina fa tsy tokony halahatra amin’ny governemanta, na Kongresy na Filankevitra ambonin’ny tetezamita io, ka hifandroritana. Efa hatramin’ny taona 2002 ny Pr Zafy, hoy izy, no nijoro mba hisian’ny fampihavanam-pirenena eto, tsy hiverimberenan’ny krizy intsony, ka raha tonga ny fotoana hametrahana ny vaomiera hanatanteraka izany dia rariny sy hitsiny raha ny Pr Zafy no mitarika azy, izy rahateo mbola eo.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.