Hiatriaka fivoriana tsy ara-potoana ireo antenimiera roa tonta araka ny fampiantsoana, tamin’ny alalan’ny didim-panjakana navoaka teo anivon’ny filankevitry ny minisitra notarihan’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, sy ny praiminisitra, Ntsay Christian, ny alakamisy lasa teo.
Haroso ho lahadinika ao anatin’ny fivoriana ny fandinihana ny volavolan-dalàna hanomezan’ny solombavambahoaka fahefana ny filoham-pirenena hahafahany mikitika na manamboatra lalàna. Hisy ihany koa ireo volavolan-dalàna mifandraika amin’ny fifidianana izay hitondrana fanovana toy ny lalàna fehizoro laharana 2018-010 tamin’ny 11 mey 2018, izay mandrindra ny fifidianana solombavambahoaka. Eo ihany koa, ny lalàna fehizoro laharana 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018, izay mandrindra ny fifidianana filoham-pirenena sy ny fitsapan-kevi-bahoaka. Raha ny fantatra, tsy voafaritra ary tsy tafiditra anatin’ny programa ny hanalavana ny fe-potoam-piasan’ny solombavambahoaka satria ny 5 febroary 2019 izao no ho tapitra ny fe-potoam-piasan’ireo solombavambahoaka araka ny voafaritry ny lalàna. Hatreto ny faran’ny volana janoary no voafaritra fa hanaovana ny fivoriana tsy ara-potoana. Hafana indray izany ny eny amin’ny lapan’ i Tsimbazaza amin’ity herinandro ity.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.