Hiditra amin’ny votoatiny ny fandinihana ilay tondrozotra manomboka eto. Ny amin’ilay fanitsiana hatao amin’izy io no hifantohan’ny dinika sy izay mety ho adihevitra.
Nisy ny resaka savaranonando natao teny amin’ny hotely “Le Paon d’Or” Ivato omaly hariva, niantsoan’ireo fonksioneran’ny Troïka
Mbola hifamotoana eny Ivato rahateo ireo vondrona 11 ireo anio amin’ny 11 antoandro. Na inona na inona anefa zavatra voarafitra mandritra ny fihaonana manomboka eo, dia mijanona ho volavola izany satria dia tsy maintsy mbola hanao tatitra amin’ny Troïka, indrindra ny filohany, dia ny filoha afrikanina tatsimo, Jacob Zuma, izay naniraka azy ireto minisitra ho avy anio ireto. Solontena ihany koa ireo Malagasy mandray anjara amin’ny fikaonan-doha fa tsy maintsy ireo filohan’ny Ankolafy sy vondrona politika tsirairay avy no manaiky izay tondrozotra farany voarafitra eo vao hirosoana ny sonia, izay izy ireo rahateo no hanao izany, ary eto an-toerana, mazava loatra. Mbola sarotsarotra anefa ny hahatongavana amin’izany eo anatrehan’ireo fanambarana nisesy tato anatin’ny 48ora farany.
Ny V8 dia nanizingizina omaly fa ny tondrozotra nitondran’ny Dr Salomao fanitsiana tamin’ny 17 jona 2011 no fantany sy hosoniaviny. Tao amin’ny Magro Behoririka anefa dia Santdon milaza ny fiverenan’ireo sesitany politika tsy misy fepetra no fantany. Olana ihany koa ny fipoiran’ireo vondrona izay sady tsy nandray anjara tamin’ny rangopohy no tsy voasolotena tany
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.