Nivoaka tamin’ny fahanginany Raholdina Faneva nanoloana ilay tenin’ny filohan’ny Antenimierandoholona Rakotomanana Honoré
mikasika ny tokony hanitsiana ny lalampanorenana. Tena miombon-kevitra amin’izany ny tenako satria io hiainantsika amin’izao fotoana io dia natao maimaika fotsiny nentina nanilihana ny tamin’ny Repoblika fahatelo izay nisy fanitsiana nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana. Rariny raha mahita zavatra ahitsy Rakotomanana Honoré izay mpahay lalana sady manan-talenta manokana amin’ny lalàmpanorenana. Mila ahitsy ihany koa ny “code éléctorale”, hoy hatrany Raholdina Faneva fa natao maimaika fotsiny. Ankoatra izay, miteraka tsy filaminana politika tahaka ny niainantsika tamin’ny andron’ny filoha teo aloha Zafy Albert ny tsy fanitsiana azy io, antony nahatonga azy niongana teo amin’ny fitondrana ary tsy nahafahany nanao ny asa fampandrosoana noeritreretiny akory.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.