Tsy isalasalana fa tena misy tsininy ilay lalàmpanorenan’ny Repoblika IV° nanan-kery ny 11 desambra 2010 ary nampiharina nanomboka tamin’ny 25 janoary 2014,
andro nametrahana tamin’ny toerany ny filohany voalohany. Na izany aza, tsy fotoana tokony hitetehana ny hanovana azy haingankaingana izao mialoha ny fifidianana hatao amin’ny 2018 izao, araka ny fanambarana goavana niraisan’ny herivelona maro toy ny SeFaFi (Sehatra Fanaraha-maso ny Fiainam-Pirenena), GEN (Groupe des Experts Nationaux), KMF-CNOE (Comité National d’Observation des Elections), CDE (Club Développement et Ethique), MAMIMAD (Malagasy Miara-Mandroso Aron’ny Demokrasia), CRAB (Cercle de Reflexion et Analyse de Bongolava), Fikambanana Mamiko ny Taniko. Raha ahitana tsininy ny lalàmpanorenana ankehitriny dia anjaran’izay kandidà ho filoha ny mampahafantatra ny fahitany azy, amin’izay ilay voafidy dia ny fifidianana no maha ara-dalàna ny fanitsiana efa nosoratany tao amin’ny fandaharanan’asany. Izay rehetra mikasa hitondra fanovana lalina, na « fanavaozana » tanteraka mihitsy aza, dia afaka mampahafantatra ny tolo-keviny, amin’izay ny adihevitra dia hisokatra ho an’ny olon-drehetra. Raha toa kosa ka efa am-poto-moty toy izao vao hanomboka hikitika ny lalàmpanorenana, noho ny filohan’ny Repoblika mirotsaka ho kandidà tsy maintsy mametra-pialana fotsiny, dia ohatra ny fiarovana ny tombontsoa manokan’ny filoha am-perinasa ihany izany fa tsy fitsinjovana ny tombontsoa iombonan’ny firenena velively. Ilay fikasana hampiditra ny fokontany ao amin’ny CTD (Vondrom-Paritra Itsinjaram-pahefana) dia tahaka ny tetika entina hampandriana adrisa fotsiny ny vahoaka. Sady tsy nahavita velively nanangana ny Faritra sy ny Faritany no nandà hatrany hatrany koa ny hifidianan’ny mponina mivantana ny sefo fokontany ity fitondrana ity, fa nikiribiby tamin’ny fomba fifidianana mamingampingana ny safidiny malalaka. Andrasana aloha ho azo ny ara-dalàna avy amin’ny fifidianana vao kitihina ny lalàmpanorenana, izay no atao raha tena mitady ny fitoniana ara-politika, raha haravona ny fanehoan-kevitra manohitra tetikady maloton’ny fanjakana HVM.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.