Niainga avy eny amin’ny Lapam-panjakana eny Anosikely ka nisian’ny fivoriana tsy azon’ny besinimarao natrehana omaly, nisian’ny gidragidra araka ny lahatsoratra etsy an-kilany, dia fantatra fa efa tonga eny anivon’ny Lapan’ny Kongresin’ny tetezamita eny Tsimbazaza ihany koa ny amin’ny soso-kevitra hanitarana ho 12 ny isan’ireo mpikambana ao amin’ny birao maharitry ny antenimiera mpanao lalàna roa tonta.
Hampitomboina avo roa heny, araka izany, ny isan’ireo filoha lefitra ka hanana solontena roa avy ny Faritany 6 ary hanana ny solontenany avy koa ireo ankolafy rehetra nanao sonia ny tondrozotra. Nambaran’ny CT Amable André Benjamin, filohan’ny vondrona MDM, fa efa voaantson’ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita Mamy Rakotoarivelo manokana izy sy ny CT Lemalade Eric ka nandinika manokana ity fanitarana birao ity nefa dia niara-nahita fa olana lehibe miseho lany eo amin’ny fanatanterahana izany ny amin’ny resaka foto-drafitrasa toy ny birao hiasana sy hoenti-manana ihany koa.
Mikasika ny fanakianana mahazo ny MDM indray hoe antoko tokana nefa mahazo anjara toerana tahaka ny Escopol, Les AS, Ankolafy Ravalomanana… dia nanambara ny CT Amable fa mitovy amin’ny antoko Arema sy Monima tsy misy hafa izany. Avy amin’ny SADC mihitsy ny fanondroana, hoy izy ary anisan’ireo antoko lehibe tsy azo hamaivanina ka nasongadina manokana toy ny namany hafa ny MDM.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.