Efa hita tamin’ity fifidianana filoha sy depiote daholo ireo hosoka sy hala-bato tamin’ity fifidianana ity saingy ny fandeferana sy fisorohana ny korontana,
fa izao kosa efa mihoatra ny mety, hoy i Fanirisoa Ernaivo Filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara teo aloha, izay any ampitan-dranomasina moa ankehitriny. Misy ny lalàna 2018/008 momba ny fifidianana, ka nitondrany fanazavana manoloana ny karazana fifanilihana eo amin’ny CENI sy ny fokontany. Ny lisitra, dia hahafahana mangala-bato. Amin’ireo 10 tapitrisa voasoratra dia 20% na 18% ary raha ambony indrindra 40% no afaka mifidy, izany hoe 20% no afaka mifidy, hoy izy. Nambarany fa maro ireo olona nisoratra tao tamin’ny fifidianana teo aloha satria nisy “manipulalation” sy “falsification” ilay lisitra. Tamin’ny 01 desambra 2018-19 mey 2019 no azo nokitihina ny lisitra, ka izay mikitika dia mandika lalàna na CENI na Fokontany. Very zo ny olona nesorinareo kanefa misy miverina in-droa, in-telo hatramin’ny im-balo miverina ao. Misy 100 pejy ny anarana niverin-droa tamin’ny lisitra teto Antananarivo. Iza no nanao izany ? Anjaran’ny CENI no mikitika sy mamarana ny lisi-pifidianana. Tompon’andraikitra feno ary azo henjehina araka ny lalàna ny CENI, araka ny andininy faha-217 izay mamaritra fa gadra 2 ka hatramin’ny 5 taona arahina lamandy, hoy i Faniry Ernaivo. Tokony ho voasazy 2-5 taona ihany koa ny olona nitokana zava-panjakana tao anatin’ny propagandy, hoy izy. Tokony Tsy nisalasala i Faniry Ernaivo nilaza fa mila saziana ny CENI sy izay kandidam-panjakana nomeny tombondahiny niray tsikombakomba taminy. Andininy 235 amin’ilay lalàna, dia milaza fa voasazy 15 tsy mahazo milatsaka hofidiana sy manao asam-panjakana ny mpanao hosoka amin’ny fifidianana, hoy hatrany izy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.