Ao anatin’ny zaikabe faha-8 tanteraka ny Fikambanana Skoto Zavavavy Katolika, na “Fanilon’i Madagasikara nanomboka omaly 2 septambra ka hatramin’ny 8 septambra izao.
Vory lanona etsy amin’ny Foibe FTMTK Ambohipo ireo mpiandraikitra rehetra avy amin’ny Faritra 22 mahatratra 600. Mitana anjara toerana lehibe mandritra ny zaikabe ny fanoloana ny birao nasionaly izay hiasa mandritra ny 5 taona manaraka ka anisan’izany ny fifidianana ny filoha nasionaly vaovao. Misy koa ny fametrahana tanjona vaovao hampivelarana ny vehivavy Malagasy, indrindra ny hanomezana anjara azy amin’ny fampandrosoana ny fiaraha-monina sy ny fireneny. Ao koa ny fanovana sy fanatsarana ny fomba fanabeazana mba hanaraka ny fivoaran'ny tontolo. Tanterahana ny 7 septambra amin'ny 2 ora sy sasany moa ny lamesa famaranana sady fanomezan-tokin'ny Filoha Iombonana vaovao. Maherin'ny 17 500 ny isan'ny mpikambana Fanilon’i Madagasikara amin’izao, 6 taona no zandriny indrindra.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.