Fanilihana kandida amin’ny 2018 Tsipahin’ny KMF

CNOE


  • Alarobia 15 Febroary 2017

Ny lalŕmpanorenana ihany no tokony hohajaina ka tsy ekena ny mbola mety hanitaran’ny fitondrana Rajaonarimampianina ny fe-potoam-piasany.

 Tsy ekena ary midika ho fanimbazimbana ny vahoaka sy ny lalàmpanorenana ny fikotrehana ny hanemorana indray ny fifidianana fa rehefa amin’ny 2018 no daty voafaritry ny lalàna fa hanatanterahana ny fifidianana, dia izay ihany no mila hajaina. Izay raha haravona ny fanehoan-kevitry ny firaisamonim-pirenena KMF /CNOE tamin’ny alalan’ny filohany Rabekijana Félix, omaly. Manoloana ny teti-dratsy sy ny feo mandeha amin’ny hanilihana kandida ireo kandida atahorana kosa, dia nilaza mazava ity firaisamonim-pirenena ity, fa mitsipaka tanteraka izany izy ireo. Tsy hiteraka filaminana eto amin’ny firenena na mialoha na mandritra na aorian’ny fifidianana izany, hoy hatrany ity vovonana ity. Midika ho fanaovana tsinontsinona ny safidim-bahoaka rahateo izany, ka raha tiana ny hisian’ny fitoniana sy ny filaminana eto amin’ny firenena, dia homena fahalalahana hirotsaka sy hifidy izay tiany ny rehetra, fa tsy any anaty fisolelahana amin’ny mpamatsy vola ihany vao mody resahina ny demokrasia.


Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT