Araka ny fanazavan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny sabotsy teo teny amin’ny Magro Behoririka dia i Joaquim Chissano no nanao tatitra manoloana ny Troika-n’ny SADC, nivory tsy ara-potoana tao Cape Town Afrika Atsimo tamin’ny zoma 09 mey teo, ary nandroso hevitra fa tokony ho sintonina ny filatsahan-kofidian’ireo kandida telo (Andry Rajoelina, Lalao Ravalomanana, Didier Ratsiraka).
Mijanona ho soso-kevitra ihany ny zavatra tapaka tany Cape Town io fa tsy hoe didy tsy maintsy tanterahana sy tsy azo ivalozana tsy akory. Ny kandida Lalao Ravalomanana Rakotonirainy dia efa nanamafy ny faran’ny herinandro teo fa vonona izy ary tsy hiala izany. Fantatra koa fa niteny tamin’i Marc Ravalomanana ny SADC hoe : “maninona raha ianao no kandida misolo an’i Neny ?”, saingy nitsipaka izany ity filoha teo aloha ity ary nilaza fa matoky an-dRamatoa vadiny izy ary “tsy miovaova amin’ny teny nomeny izany ny ankolafy Ravalomanana, fa rehefa i Lalao Ravalomanana no kandida neken’ny rehetra, dia izay no izy”. Mahagaga ity fiovaovan-kevitry ny mpanelanelana ity, ary miha mazava ihany izao fa tsy tompon’ny teny farany ny SADC fa mahazo tsindry avy any ambadimbadika any. Mailaka namoaka io fehin-kevitra tapaka tany Cape Town io ireo filazam-baovao Frantsay, izay porofo hahafahana milaza fa ao ambadik’ity resaka ity indray i Lafrantsa. Manahy mantsy ny Frantsay sy ireo mpiara-dia aminy fa tena ho voafidy ho filoha Rtoa Lalao Ravalomanana, izay midika avy hatrany fa afaka hody malalaka eto amin’izay i Marc Ravalomanana ; ilay Malagasy tena sahy nanohatra ny fibodoan’ny Frantsay ity Madagasikara ity.
Tsy takona afenina ihany koa fa efa mba nanana kajy ny Frantsay hampandany ny kandidany amin’io fifidianana filoham-pirenena ho avy io, ka nanimba tanteraka izany kajy izany ny firotsahan’i Lalao Ravalomanana Rakotonirainy. Ho very fihinana aty Afrika i Lafrantsa raha toa ka votsotra eo ambany vahohony i Madagasikara, satria miendrika ho revolisoana goavana izany. Tsinotsinona anefa Lafrantsa raha tsy misy ireo zanataniny fahiny ary dia ho gisitra any eoropa mihitsy. Miankin-doha amin’ny ampahany betsaka amin’ireo zanataniny fahiny ny politika ara-toekaren’i Lafrantsa, ary mialoha ny hanomezana ny fahaleovantena dia efa niketrika ny fomba mbola hifehezana ireo zanatany ireo ny mpitondra Frantsay; izay ny antony nananganana ireo karazam-pikambanana tahaka ny Frankofonia, ny AFD, sy ireo fikambanana ara-kolontsaina maro samihafa, ary ny fanomezana ny zom-pirenena Frantsay ho an’ny olon’ny zanatany teo aloha. Hatramin’ny 2009 dia efa nisisika sy nampiasa ny olony tao anatin’ny Vondrona Afrikana sy ny SADC ary ny COI i Lafrantsa, ary mbola tena miasa mafy ireo olona ireo hatramin’izao.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.