Anio vao hiteny sy hilaza ny heviny momba ny raharaham-pirenena, manodidina ny fifidianana indrindra indrindra i Andry Rajoelina.
Nandrasany ho azo antoka fa tsy ao anatin’ny lisitry ny kandida navoakan’ny CES ny anaran-dRtoa Lalao Ravalomanana ary koa namoaka datim-pifidianana ny CENIT vao hiteny ny filohan’ny tetezamita. Matoa izaho tonga ety (CENIT Alarobia), hoy Ratsirahonana Norbert Lala, dia manaiky ny zavatra rehetra i Andry Rajoelina. Mazava ny resaka ankehitriny fa dia natao fitaovana fotsiny ihany mba hanilihana an’i Lalao Ravalomanana amin’ny fifidianana i Andry Rajoelina. Tetika efa voaomana sy sinema avokoa ireo endrika fanerena azy toy ny tsy fanomezana visa tsy hahafahany mankany Frantsa … satria ankehitriny dia ny Frantsay, SADC, Vondrona Afrikanina mihitsy no midera sy mankasitraka an’i Andry Rajoelina, ary tsy mihevitra azy ho mpanongam-panjakana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.