etiky ny kanosa ny fanitsiana ny Lalàmpanorenana tian’ny mpitondra fanjakana ankehitriny hizorana mba hanilihana ny filoham-pirenena teo aloha Ravalomanana Marc sy ny filohan’ny tetezamita Rajoelina Andry Nirina
T, hoy ny mpikambana tao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita teo aloha Raharinirina Jacques Aimé. Paika mamoafady hampihemotra ny demokrasia eto Madagasikara ihany koa anefa satria efa mihen-danja ny fitiavan’ny vahoaka Malagasy ny filoham-pirenena ankehitriny. Tsy milamina, ohatra, ny fandriampahalemana any ambanivohitra izay zava-dehibe ho an’ny vahoaka tantsaha. Miha mahantra kosa ny mponina miaina an-tanàn-dehibe nefa mibanaka ny fanondranana an-tsokosoko ireo harem-pirenena. Sempotry ny zava-dratsy rehetra ny firenena Malagasy amin’izao fotoana izao nefa ny fomba hiverenana eo amin’ny fitondrana sahady no ketrehin’ny mpitondra ankehitriny. Mbola sarotra ho an’ny mpitondra manampahefana ny hamita ny fe-potoana hiasany hatramin’ny 2018 amin’izao zava-misy izao. Tsy ho fantatra izay havoakan’ny ampitso ka tsara kokoa raha soritana mazava ny fitsipi-dalao, hoy ny fehin-tenin’ity olom-boatendry teo aloha ity.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.