Fangatahana ny fialan’ny diplaomasia Frantsay

Nandefa taratasy amin’ny raharaham-bahiny ny ARFM


  • Alakamisy 21 Desambra 2023

Niroso tamin’ny fanaterana taratasy teny amin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny ny

ARFM Antenimieran’ny Raiamandreny ara-drazana sy ny Foko eto Madagasikara ny andron’ny omaly, taorian’ny fanomezana fe-potoana hialan’ny diplaomasia Frantsay eto aloha mba handaminana ny firenena, araka ny foto-kevitra voizin’izy ireo. « Ny Frantsay no azo lazaina anisan’ny fototry ny fikorontanana amin’ny filaminan’ny firenena iray ka anisan’ny tratran’izany i Madagasikara, ary efa betsaka no iharany aty Afrika. Ny fisintahany eto aloha no mety tsara indrindra raha handamina ny firenena satria efa nitranga izany tamin’ny 2019 kanefa hatramin’izao dia mbola mitohy, ka ry zareo foana no toa no manakorontana ny firenena amin’ny politika », hoy Atoa Rakotondrasoa Noel. Amin’izy ireo dia tsy tokony hisy mihitsy ny fitsabahan’ny diplaomasia na « interférence diplomatique » amin’ny Frantsay aloha raha handamina ny firenena. Tsara moa no mampahatsiahy, fa efa nandefa taratasy tany amin’ny Masoivohon’i Lafrantsa. Manamafy izy ireo fa tokony hotapahana aloha ny fifandraisana ara-diplaomatika amin’i Lafrantsa, ka hidiana ny masivoho any Frantsa, ary hakatona ireo kaonsilà ary mody. Tsy mahakasika ny vahoaka sy mponina Frantsay anefa, fa ny diplaomasia Frantsay no angatahana sy hiharan’izay, hoy ny fanamarihana. Na mivaly na tsy mivaly ilay fanomezana fe-potoana 48 ora, dia nilaza izy ireo fa efa vonona handray an-tanana ny firenena. Fampahafantarana ny zavatra tokony ataony iny, fangatahana, miala izy tsara, raha tsy miala androany dia mety hiala rahampitso, tsy terena fa miala ho azy, hoy hatrany Atoa Rakotondrasoa Noel. Amin’ny lafiny iray, na eo aza ity fangatahana fampodiana ny diplaomasia Frantsay ity, azo lazaina ho sarotsarotra raha tsy misy ny tsindry goavana manery amin’ny hahatongavana amin’izany. Amin’ny endriny ivelany, raha ny fifanarahan’i Vienne na « Convention de Vienne » tamin’ny 1963 dia tafiditra ho lafin-tanin’ny firenena vahiny iray ny masoivohony ao amin’ny firenena iray, ao amin’ny tany iasany. Na ny toerana misy ny tranon’ny masoivoho Frantsay dia manana sata zaratanin’i Lafrantsa. Tsy ny an’ny Frantsay ihany fa ny an’ny firenena rehetra any amin’ny tany misy azy avy, ary tahaka izany ihany koa ny antsika any ivelany. Efa tranga niseho teto na tany amin’ny firenena hafa na izany aza ny fandroahana masoivoho fa moa tena nahaisotra ny diplaomasia Frantsay sy ny dian-tanany ara-politika ve ? Somary stratejika be ity raharaha iray ity ka asa izay ho akony ?
Toky R

Sary indrana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT