Miankina amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC ihany no mampangarahara ny fifidianana amin’ny taona 2018, raha ny fanehoan-kevitry ny filoha mpanorina ny vondrom-pivavahana Apokalipsy sy ny antoko politika Gideona fandresena ny fahantrana eto Madagasikara na GFFM,
André Christian Dieu Donné, fantatra amin’ny hoe pasitera Mailhol. Ity rafitra ity ihany, raha ny nambarany no tompon’ny fanapahan-kevitra farany fa ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI tsy afaka hanapa-kevitra akory na dia ho valim-pifidianana marina aza no hiainga avy any amin’izy ireo. Toy ny Bianco sy Samifin ihany io, hoy ny tenany. Na hiteny aza ny Bianco sy ny Samifin hoe nahitana kolikoly tatsy na taroa, rehefa handa ny HCC hoe tsy nisy an’izany tao dia tsy misy azo atao. Hanararaotra haka tombony toy ny teo aloha rehetra anefa, hoy izy, ny mpitondra ankehitriny saingy tsy atahorana intsony satria tsy ho voajono amin’ny fanambazana vola sy akanjo intsony ny ankamaroan’ny Malagasy ary izaho dia nisafidy ny hanao fampielezan-kevitra fa tsy hanao fampielezam-bola mba hahafahako mizara amin’ny vahoaka rehefa tonga eo amin’ny fitondrana fa tsy hoe vita eo amin’ny propagandy ny fanomezan-javatra ny vahoaka.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.