Politique

Faneva Raholdina Ravao aloha ny mandan’i Berlin etsy Analakely


  • Alatsinainy 08 Aprily 2013


 Ao anatin’ny sarisary zaritenany no hilazan’ny olon-tsotra mpanaraka ny raharaham-pirenena, Faneva Raholdina, fa raha te handresy lahatra ny olona ny kandidà Edgard Razafindravahy vao natolotry ny Tanora Malagasy Vonona tamin’ny sabotsy teo fa hampanjaka ny demokrasia rehefa ho lany amin’ny toerana katsahiny dia tokony horavany tsy misy hatak’andro aloha ny “mandan’i Berlin” na ilay fefy manasaraka ny araben’ny fahaleovantena eo anoloan’ny Lapan’ny tanàna vaovaon’Antananarivo fa tsy misy an’izany “avenue” hidiana sy tapahina izany maneran-tany afa-tsy eto Madagasikara ihany.

Ary tsy vitan’izany fa eo amin’ity toerana ity koa izay nantsoina hoe : Kianjan’ny 13 mey dia toerana nanehoan’ny Malagasy ny demokrasia tamin’ny alalan’ny fanehoana ny heviny nivantana ka aminay, hoy ity mpandinika raharaha-politika ity, dia tena fanapenam-bavaka tsotra izany ny vahoaka ny famefena ny olona tsy ho eo amin’io toerana io. Manoloana ny resa-pifidianana izay ihany, dia nanambara Atoa Faneva Raholdina, fa raha te hahita fifidianana ara-demokratika isika dia tokony hovahana avokoa ireo haino aman-jery rehetra nakatona tamin’ity tetezamita ity indrindra ny MBS satria sarotra ny hino fa ho tafiditra ao amin’ny RNM sy TVM ny mpifaninanana tsy kandidàm-panjakana. Tokony hataon’ny Ankolafy Ravalomanana manokana vaindohan-draharaha mihitsy ity resaka farany ity rehefa mbola tsy nahavita namerina an’ireo sesitany politika any ivelany sy nanery ny famoahana an’ireo gadra politika izy ireo tao anatin’ny fidirana anaty rafitra tetezamita.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT