Politique

Faneva Raholdina Ny fanjakana tsara tantana ihany no mahomby


  • Alakamisy 12 Janoary 2017

Na eo amin’ny ambara fa fitondrana tantanan’olon-tokana (Etat unitaire) na eo amin’ny lazaina fa fitondrana federaly (Etat federal), hoy ny mpandinika politika Faneva Raholdina, dia izay manara-dalàna sy mampihatra ny fanjakana tsara tantana ihany no tena mahomby.

 

 Nahomby ohatra ny fanjakana Repoblika voalohany teto amintsika faha-Tsiranana, hoy izy, sy ny fitantanana faha-Ravalomanana Marc tamin’ny 2002-2009 noho ny fampiharana ireo zava-boalaza teo ireo raha teto amintsika no asian-teny. Raha ny resaka fitondrana federaly manokana no asian-teny, dia firenena maromaro mifanakaiky no nifanaiky hitambatra ho iray mba hampiakatra ny sandam-bolan’izy ireo ka afaka hifaninana amin’ny an’ny hafa. Tahaka izay niseho tany amin’ny Firaisana Sovietika sy Etazonian’i Amerika izany na koa ny fitambaran’ny Eoropeanina hampiasa ny vola tokana Euros mba hifaninana tanteraka amin’ny dolara ohatra … fa tsy izy ny heritreritry ny sasany hoe hanasaraka ny firenena tokana toa an’i Madagasikara ho lasa ho firenena federaly  fa ny fitsinjaram-pahefana tena izy no azo atao raha maniry izany na koa mifanaraka amin’ireo nosy rahavavy toa an’i Maorisy sy La Réunion sy kaomaoro ohatra ny Malagasy ka manangana izany “Etat Federal” izany.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT