Ny tena manahirana amin’ny fahazoana ny fitoniana ara-politika eto amintsika ankehitriny, hoy ny mpandinika toe-draharaha-politika,
Faneva Raholdina, dia ny fahalemen’ny fitondrana misy amin’ny tsy nahafahany maro an’isa teo anivon’ny rafitra mpanao lalàna Antenimieram-pirena. Nomarihana mafy anefa fa miankina amin’io fisian’ny fitoniana io tanteraka ny fahazoana mampandroso marina an’i Madagasikara. Tena adidy aman’andraikitry ny filoham-pirenena am-perinasa ankehitriny ny mikaroka paikady hampanjakana ny fitoniana eto amin’ny firenena. Tsy ampy amiko, hoy izy, ny hoe fananana vondrona parlemantera manohana ny fitondrana eny amin’io Antenimieram-pirenena malagasy io satria vonjy tavanandro fotsiny izany eo amin’ny fampandehanana ny raharaham-pirenena. Tokony hanana ny maro an’isa marina ao amin’ity rafitra mpanao lalàna ity ny antoko noforonin’ny filoha Rajaonarimampianina dia ny HVM izany mialoha ny hiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena ho avy amin’ny taona 2018. Aoka mba hahay haka lesona tamin’ny lasa isika fa ireo fanonganam-panjakana nisy hatramin’izay teto amintsika hatreto dia tsy nisy nitondra any amin’ny fampandroana katsahina isan’andro vaky izao fa samy nampikororosy ny toekarem-pirenena avokoa. Mila ravana maika amiko, io Antenimieram-pirenena misy ankehitriny io, hoy ity mpandinika ara-politika sy fiahamonina ity, ary mila hahitsy koa ny lalàna mifehy ny fifidianana solombavambahoaka amin’ny manaraka mba tsy ho sakana amin’ny ataon’ny filoham-pirenena foana ny fisian’ny depiote maro an’isa tsy avy amin’ny antokony.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.