Politique

Faneva Raholdina “Hendry ny filoha Ravalomanana”


  • Alarobia 30 Janoary 2019

Maha-te hidera ny fihetsika rehetra nataon’ny filoha Marc Ravalomanana taorian’iny valim-pifidianana nahazahoana filoham-pirenena vaovao iny hoy ny mpandalina politika Faneva Raholdina.

 

 

 Tsy vitan’ny hoe nihazona ny teny nomeny izy tamin’ny fanekena ny voka-pifidianana fa mbola nitsodrano ny filoha vaovao ihany koa. Mampatsiahy ny fifidianana nisy tany Amerika tamin’ny taona 2000 hoy izy tamin’ny fifanandrinan’ny Al Gore sy George Walker Bush izay nisiana fanahiana hala-bato. Raha tsiahivina dia nanaiky ny fahareseny ihany i Al Gore ary niarahaba ny filoha amerikana George Walker Bush izay lany tamin’izany. Nitovy tamin’izany mihitsy ny zava-misy ary nahagaga fa taty amin’ny firenena faha5 mahantra indrindra no nahitàna filoha hendry sady demokraty hoy hatrany i Faneva Raholdina. Fitiavan-tanindrazana sy fitsinjovana ny ho avin’ny firenena hoy izy no napetraky ny Filoha Marc Ravalomanana ary mendri-piderana izy.

Miandry vokatra ny Malagasy

Tokony hitàna ny teny nomeny kosa ny filoham-pirenena vaovao ary izy aza dia nanambara fa afaka hotsaraina sahady amin’ny zava-bitany afaka enim-bolana sy herintaona. Tahaka ny tamin’ny andron’ny filoha Ravalomanana hoy I Faneva Raholdina dia tokony ho minisitra hahavita sy hahafehy ny asa rehetra na polyvalent ny mpikambana rehetra ao amin’io governemanta io. Nitodika manokana tamin’ny minisitry ny serasera sy kolontsaina ihany koa izy izay antoka nahatafavoaka ny filoham-pirenena vaovao. Tokony halalaka tanteraka ny asa fanaovan- gazety sy ny fanehoan-kevitra satria tena nivalampatra izy tamin’ireny fampitam-baovao nataony ireny. Izany rehetra izany dia anatin’ny vokatra hiandrasana mba hiteraka fampandrosoana ny  firenena avokoa hoy i Faneva Raholdina.

Tsirinasolo

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT