Tsy vahaolana amiko mpandinika ny toe-draharaham-pirenena ny fampihavanana ny filoha Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina, hoy Atoa Faneva Raholdina, fa mbola hiteraka savorovoro ara-politika hatrany.
Ho ahy dia ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika (Cemgam) no tokony hampihavanina voalohany amin’ny filoha Marc Ravalomanana, hoy izy, satria ny miaramila no fototry ny fanonganana azy teto. Manaraka ho azy avy eo ny fampihaonana an’i Andry Rajoelina. Ity filohan’ny tetezamita ity mantsy, hoy izy, dia mialokaloka ao ambadiky ny miaramila foana hatreto ka raha misy fanapahan-kevitra tokony horaisina dia ambarany fa izy manaiky fa ireo foloalindahy no mitsipaka izany. Raha vita ny fampihaonana ny Cemgam amin’ny filoha Marc Ravalomanana ka mifamela tanteraka ireo, hoy Atoa Faneva Raholdina, dia izay vao hisy ny tsy fombana ny atsy sy ny aroa amin’ireo tafika ireo dia andeha ho azy avy eo ny diniky ny roa tonta dradraina lava izao.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.