Tsy dia hisy fiantraikany loatra amin’ny fitondrana ankehitriny ny fidinana an-dalambe, hoy Atoa Faneva Raholdina mpandinika ny fiainam-pirenena, fa tsy hahazoam-bokatra mivaingana avy hatrany eo amin’ny tolona atao.
Ny fitokonana faobe mampikatso ny asam-panjakana arahina fanovana tanàna maty no azo heverina hahomby raha hitondra fanoherana amin’ny fanapahan-kevitra noraisina toy ny fanilihana an’ireo kandidà telo matanjaka. Ho fanatanterahana izany dia tsy maintsy atsangana ny vovonan’ny mpanohitra, hivondronan’ireo mpiandany amin’izy telo mianaka ireo, handrindra ny hetsika satria mila fanomanana matotra ny firosoana amin’izany. Foana, araka izany, ny ankolafy Ravalomanana fa ny herivelona rehetra mitambatra no mihetsika mandrava ny demokrasia tapany misy ankehitriny fa raha tsy izany dia aoka hanomana dieny izao ny fifidianana afaka efa-taona.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.