Politique

Faneva Arondahy Manohana tsy misy fepetra ny fodian’i Marc Ravalomanana ny GMMR


  • Alatsinainy 05 Martsa 2012


Tsy miala amin’ireo foto-kevitra efatra izay nijoroany ny GMMR izay tarihiko, hoy i Faneva Arondahy, mpitarika ity antoko politika nohavaozina ity taorian’ny fisintahan’ireo lohandohany izay nanaraka seza ao anatin’ny fitondrana amin’izao fotoana izao. Nanamafy i Faneva fa saika nivily amin’ny lalana tsy izy ity antoko ity teo aloha ka na ny anarana entina dia saika nifanipaka amin’ny hetsika nitondran’ny mpitarika azy teo aloha. Tsy miala amin’ny filoha Marc Ravalomanana ny GMMR, ary vonona ny hanohana azy hatrany, hoy hatrany i Faneva Arondahy nanamafy ny fanazavany. Efa misandrahaka amin’ny faritra maro manerana ny Nosy ity antoko politika izay miezaka mamerina ny famindrany araka izay anarany izay.
Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT